Omena laka ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Mbola mijanona ho nofinofy ihany izy io hatramin’izao. Miandry, mifampiandry ? Miandry inona ? Sanatria miandry tranga mahatsiravina hitohy sy hipoitra isan’andro ve ? Tsy mahasoa ny taranaka Malagasy ny manabe azy ireo ho tonga vahiny eto amin’ny taniny. Tsy hitondra fandrosoana ho an’ny tsirairay sy i Madagasikara ny fametrahana sy filohalohavana ny rafi-pampianarana avy any ivelany…
Noho ny fanaovana tandrevaka ny fampianarana ny teny malagasy any an-tsekoly ? Tsy mahay manavaka ny « …ndri… » sy ny « …nji… ». Ny « nandray » lasa « nanjhay », sns, ny tanora ankehitriny. Toa raisin’izy ireo ho rehereha aza izany, satria, hono, manahaka ny vahiny miteny ny teniny. Heno eny am-bavan’ny mpihira sasany ihany koa ny tranga tsy mahay manonona ny teny malagasy io.
Mandalo tsy fahasalamana ny mpanakanto Babaique. Raha ny vaovao hita eny amin’ny tambajotran-tserasera, mila fitsabona any ivelan’i Madagasikara izy. Efa tontosa ny fikarakarana ny « Evacuation sanitaire » any Inde, izay nitondran’ny fianakaviany fisaorana ireo rehetra nanampy tamin’izany. « Fa mbola eo am-piandohana ny tolona. Koa amin’ny fanetren-tena lehibe tompoko no iangavianay fianakaviana antsika rehetra na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany rehetra any izay rehetra mba afaka hanampy araka izay tsirambin’ny tanana », hoy ny fianakaviana.




