Jiolahy iray maty voatifitra tetsy 67 Ha, omaly tamin’ny 01 ora maraina. Naheno olona niantso vonjy ny mponina ka nampandre ny polisy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny UIR, taorian’izay. Nifanehitra tamin’ny lehilahy iray ahiahina ho anisan’ireo mpanendaka, teo amin’ny toerana feno lobolobo, ireo polisy manao fanamiana sivily. Nikasa hamely tamin’ny sabatra teny aminy ilay olon-dratsy ka voatifitry ny polisy ary lavo. Nahitana sabatra lavalela iray, poketra, karapanondron’ olona, finday dimy, sotro vaovao ary fitoeram-bola iray teny aminy.
Lehilahy iray 40 taona hita faty tao anaty tatatra teny Andafiatsimo Tanjombato, omaly maraina, tamin’ny 09 ora sy 45 minitra. Tatatra fikorianan-drano misarona “béton” amin’ny sisin-dalana alohan’ny tranon’olona no nahitana ny razana. Fantatra fa dokera miasa ao amin’ny mpanao hazo Delta bleu Ambaniatsimo io maty io. Nahitana vola 5 200 Ar sy coupe ongle iray tany am-paosiny. Maty tany amin’ny misasakalina izy io nefa nampiahiahy ny nahatafiditra azy tao anaty dalle. Maty sempotry ny rano izy raha ny fizahan’ny mpitsabo.
Vehivavy iray 49 taona latsaka tao anaty ranon’Ankadindratombo, omaly atoandro. Natao ny fanavotana azy ary hita tao amin’ny ranon’i Mandroseza, ambany tetezana, ny vatana mangatsiakany. Latsaka tao anaty rano ny vola mitentina 100 000 Ariary teny aminy ka niezaka naka izany izy. Indrisy anefa fa nentin’ny rano ka izao namoy ny ainy izao. Naka ny razana tao anaty rano ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina.




