Papriz 4: hifantohana ny fanodinana indostrialy

Mitohy ny fiaraha-miasa! Natao sonia ny 31 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny Antokondraharaha japoney ho an’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (Jica) sy ny governemanta malagasy. Mirakitra ny tetikasa fampiroboroboana sy ny fanodinana indostrialy ny sehatry ny vary, andiany faharoa, antsoina hoe Papriz 4 izy io. Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, fa hampiavaka ity andiany faharoa ity ny hifantohana bebe kokoa ny fanavaozana ny rojom-pihariana vary sy ny fanodinana indostrialy any amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Boeny. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny vary, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny kaoperativa sy ny teknisiana, ny fikambanan’ny mpampiasa rano. Eo koa ny fampiroboroboana ny fampiasana ny fitaovam-pambolena mekanika, ny fanatsarana ny fotodafitrasa, ny fomba fijinjana, ny fampifandraisana ireo mpamokatra sy ny mpanome tolotrasa, ny mpanodim-bokatra sy ny lalam-barotra, sns. Tsiahivina fa ahazoana vary 6-7 t/ha ny teknika Papriz, raha 3t/ha ny teknika nentim-paharazana.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fiombonana ho fampandrosoana ny fambolena aty Afrika (Card) iarahana amin’ny fanjakana japoney ny Papriz.

Njaka A.

Partager sur: