Iray amin’ireo fampisehoana rindrankira an-tsehatra nanjakan’ny hafanana ny « Tamberina » tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nifamaly fitia i Nono sy ireo mpijery tonga marobe.
Araka ny lohateniny tokoa ny endrin-tseho notanterahina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. « Tamberina », fotoana nisongadinan’ireo hira nahafantarana sy nampalaza an’i Nono. Nahitana ny fifamaliana fitia teo amin’ity mpanakanto ity sy ny mpijery tonga marobe teny an-toerana. Nanakoako ny efitrano iray manontolo. Nohirain’i Nono ny « Hoy ianao », « Io fitiavana io ihany », « Ialahy », « Mitomany », « Soga kely », « Eo anatrehan’Andriamanitra », « Hira iray », sns. Nihira amin’ny fony ny mpijery. Nangataka famerenana hatrany izy ireo. Endrika faharoan’ny « Tamberina » sy ny fifamalian’ny fitia eo amin’ny mpijery sy i Nono, omaly.
Iny fampisehoana « Tamberina » iny ihany koa no nahatarafana fa « andrarezin’ ny hira malagasy » i Nono. Na, efa ho 10 taona aza no tsy nanaovany seho an-tsehatra teto an-tanindrazana. Tsy hadinon’ny mpitia zavakanto ny sanganasany. Ireo fihetsika fanaony eny an-tsehatra, sns. Tsy niala lavitra tamin’ny fandrindrana nahafantarana sy nahaizan’ny mpijery azy ireo, rahateo, ny nitendren-dRajaona Clarck, Rado Andriamanantena, Cheryl Mathieu, Joosia Kennedy Randriamalanjaona ary i Baliaka Andrianarivoson, ny zavamaneno. Tahaka izany koa ny saksofôna notsofin’i Nono.
Marihina fa ny 11 septambra, amin’ny 7 ora hariva ao amin’ny Havoria Anosy no hanatanterahin’i Nono ny seho faharoa eto an-dRenivohitra.
HaRy Razafindrakoto




