Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro, teo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika kolontsaina an-tanàn-dehibe, “Urban Flow Festival”. Ho an’ny dihy an-tanàn-dehibe, “Urban Dance”, izay karakarain’ny Bboy Bgirl Malagasy (BBM), azo lazaina fa nahomby ny hetsika. Maro ny ankizy tonga nandray anjara sy naneho ny talentany tamin’ izany, izay nahatratra 310 mahery teo.
Nandravaka sy nampafana ny hetsika ho feno ny feon’ny mozika, ny fahaizan’ ny mpandihy mamoaka ny talentany sy mampiaina ny sehatra, miampy ireo horakorakin’ny mpijery. Maro ny karazana dihy nifanintsanana toy ny All Style (afaka hanaovana ny : Afro, Dancehall, HipHop, Krump). Nozaraina roa ny fifaninana: ho an’ny U16 sy ho an’ny rehetra “Open”. Nampiavaka azy, ny fifanandrinan’ny samy mpirahalahy sy ny mpifankatia, teo amin’ny All Style Open. Nahorakoraka sy nampihetsipo ireo mpandihy sady mpitsara toa an-dry : Jessica FLRV, Queen Crows, Sckratty ary ny mpijery marobe.
Nahavarina ny mpijery ny fahaizan-dry Bboy sy Bgirl, izay nampiseho ny fahaizany mifehy ny dihy “Break dance”. Tazana nandritra ny fifaninanana ny hafaliana sy ny firaisankinan’ny samy mpandihy, izay mifanohana hatrany anatin’ny lalao. Nilaza moa i BBoy Kellj, lehiben’ny BBM, fa hita soritra tamin’ny hetsika, ny fitiavan’ny tanora ny dihy. Ho ezahina ny hitaizana azy ireo anatin’izany hatrany, mba tsy hizotra any amin’ny lalan-kafa.
Fitia Randria




