Niakatra ho 5 300 Ar ny litatry ny lasantsy SP 95, nanomboka ny sabotsy 5 septambra teo. Izany hoe, nisy fitomboana 200 Ar/l raha oharina ny vidiny teo aloha, izay 5 100 Ar/l. Tsy nihetsika ho 4 860 Ar/l kosa ny gazoala (GO), sy ny solitany fandrehitra (PL) 3 710 Ar/l. Tamin’ny fiandohan’ny volana mey no niova farany ny vidin-tsolika teto amintsika, raha tokony ho isam-bolana, izany hoe, efa-bolana aty aoriana. Araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ampiharina ny tena vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ka tsy mihoatra ny 200 Ar/l ny fitomboana na ny fihenany.
Mifandray amin’ny Fampindramam-bola nohamoraina (FEC) sy ny Fampindramam-bola hiatrehana maharitra ny fiovan’ny toetr’andro (FRD) ny fampiharana izany fepetra izany, saingy tsy notanterahina, ho fitsinjovana ny vahoaka. Nahemotry ny FMI, noho izany, ny famoahana ny famatsiambola FEC sy FRD, tombanana ho 189 tapitrisa dolara. Izany hoe, efa-bola aty aoriana. Tsiahivina fa niova firenena any Nizeria, ny fanjakana malagasy no nanafatra solika, farany teo, raha tany Oman no nanafarana hatramin’izay. Saingy, tsy mbola mitsahatra ny ady eo amin’Etazonia sy Iran, ka mihitsoka ny Lakandranon’i Ormuz, any akaikin’i Oman.
Njaka A.




