Ela ny ela! Manomboka ny asa fanadiovana manontolo ny lakandranon’i Pangalana. Mirefy 637 km ity lakandrano ity, mampitohy an’i Toamasina, mandalo Vatomandry, Mahanoro, Mananjary, mipaka any Farafangana. Tanjona ny hahazakan’ny lakandrano sambo hatramin’ny 60 taonina. Manantanteraka ny asa ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), miaraka amin’ny Antokondraharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF). Diovina, esorina ny fasika sy ny tsikafona, nohalalinina hatrany amin’ny 2 m ny lakandrano. Hikarohana vahaolana ny fanariana fako sy loto. Hatao asa maharitra sy mitohy ny fanadiovana sy fikojakojana azy.
Nidina ifotony, nijery ny fizotry ny ampahan’ny asa, nanaovana ny fanadiovana sy ny fandalinana, ny herinandro lasa teo, ny talem-paritry ny APMF, Faralahy Germain Patrick Maherilaza, ny solontenan’ny seranan-tsambo an-dranomamy Toamasina, Tsipy Brilland ary ny mpanolotsaina teknika ny minisitra MTM, Raharimanana Patrick.
Njaka A.




