Faritr’Itasy : Taribin-jiro 600 m nisy nangalatra

Mirongatra ny halatra taribin-jiro any amin’ny lalam-pirenena voalohany, indrindra any amin’ny faritra Itasy. Tamin’ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo, nahatratra 600 m ny taribin-jiro nisy nangalatra tamin’ny zotra «triphasée» eny Soamahamanina. Niteraka fahatapahan’ny fa­matsiana herinaratra maro izany, nanomboka teo Soa­mahamanina, Mandiavato, Miarinarivo, Manazary, Am­batomanjaka, Analavory, Am­pefy, Mananasy hatrany Soa­vinandriana. Nametraka fitoriana ho an’ny olon-tsy fantatra ny Jirama, entina hanokafana fanadihadiana lalina. Taorian’izany, nisy ny fivoriana maika tsy maintsy nataon’ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny miaraka amin’ny mpitandro filaminana.
Taty aoriana, fantatra fa nisy olona enina nosamborina, voarohirohy amin’ity raharaha ity, ny alakamisy 17 septambra teo.
Tambajotra
Maherin’ny 28 km ny taribin-jiro nisy nangalatra ta­min’iny RN1 iny. Efa voasolo, tafaverina amin’ny laoniny avokoa izy ireo, ankehitriny. Tambajotra matanjaka no manao ity asa ratsy mangalatra taribin-jiro ity. Tena ilain’izy ireo ny akora aliminioma sy varahina ao anatiny. Azo inoana fa tsy maintsy ho rava ny tambajotran’olon-dratsy ma­nao­ izany, satria efa mandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo manam-pahefana. Ma­nentana ny olom-pirenena sy ny mpanjifa tsy ankanavaka ihany koa ny Jirama hiantso avy hatrany ny laharana maitso 547 na manatona mivantana ny masoivoho.

Njaka A.

Partager sur: