Fiara vaventy iray niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana noho ny fahasimbana teny Ampitatafika, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30 minitra. Voasakana nandritra ny ora 2 sy sasany teo ho eo ny fivezivezen’ny fiara, indrindra ny teo amin’ny lalana Anosizato mihazo an’Ampitatafika. Nandray fepetra haingana hamerenana izany amin’ny laoniny ny mpitandro filaminana. Nalaina sy nentina tany amin’ny PPA Loharanombato ny taratasy momba ilay fiara.
Fasana roa novakian’ ny olon-dratsy tao Soanavela, fokontany Tsimiamboholahy, kaominina Fihaonana, omaly maraina. Lasan’ny mpanao ratsy ny razana miisa telo tao amin’ireo fasana. Tsikaritry ny mpandalo vao maraina ny fisokafan’ny fasana ka nampandre ny tompom-pasana lasibatra izy. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary miasa ao an-toerana. Nakorotan’izy ireo avokoa ny razana rehetra tao anatin’ny fasana. Nanentana ny mponina eny ifotony hanamafy ny fanaraha-maso ny fananany ny mpitandro filaminana.
Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fitazomana basy vita gasy tany Tsiroanomandidy, ny alatsinainy 07 septambra 2026 hariva teo. Hitan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny toeram-ponenan’ny lehilahy 31 taona, mpanao biriky, avy ao amin’ny fokontany Miadankofeno, Tsiroanomandidy Fihaonana, ilay fitaovam-piadiana. Maro tamin’ireo trangana fanafihana tany an-toerana no nampiasana basy vita gasy tahaka itony ka antony hanaovan’ny mpitandro filaminana vaindohan-draharaha ny fanenjehana izany.




