Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: vehivavy 103 notolorana mari-pankasitrahana

Notolorana mari-pankasitrahana momba ny fambolena an-tanàn-dehibe tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, afakomaly, ireo vehivavy miisa 103. Avy amin’ny fokontany valo eto Antananarivo izy ireo. Nisy ny avy eny Am­bodimita, Ambodihady, Ando­hanimandroseza, Ankazo­man­ga Avaratra, Antetezana Afovoany, Ampefiloha Ambo­dirano, Ampangabe Anjana­kifolo ary Amboditsiry. Fam­piofanana nokarakarain’ny ONG Gret, tamin’ny alalan’ny tetikasa Aintsoa izy io. Nia­rahan’izy ireo niasa tamin’ny Nutrizaza sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tafiditra ao anatin’ny paikady hampiharina entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto an-dRenivohitra ny fambolena an-tanàn-dehibe. Mbola tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo ny 37% ireo zaza latsaky ny dimy taona eto Madagasikara, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ity ONG ity ka antony nitondrana anjara biriky eo amin’ny fiahiana ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ireo fokontany eto anivon’ny Kaominina Antananarivo. Mikendry ny hanohana ireo tokantrano marefo ara-toekarena ihany koa ny hetsika. Etsy andaniny, hanampiana ireo fianakaviana mba hahaleo sy hahavita tena ara-tsakafo. Ankoatra ny fampiofanana, notohanana ara-pitaovana entina mamboly ireo vehivavy ireo. Tanjona ny hahatonga ny fambolena an-tanàn-dehibe ho asa tena mampidi-bola sy hahazoana tombony ary ahafahan’ny tsirairay manatsara ny fiainany sy ny fianakaviany.

Mino

Partager sur: