Maro ny fitarainana voaray fa nangataka fampidiran-jiro vaovao nefa tsy nahazo valiny. Manome fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny Jirama fa tena marina io fitarainana io. Misy kosa ny fandaminana napetraka. Hatreto, tsy mandray ny fangatahana fampidiran-jiro vaovao ny Jirama, fa ifantohana aloha ireo fangatahana taloha. Manodidina ny 13 000 ny fangatahana voaray, ary misy aza efa tamin’ny taona 2020. Izany hoe, ireo fangatahana taloha ireo no ifantohana karakaraina aloha amin’izao fotoana izao. Ireo nanao fangatahana taloha aloha no atao laharam-pahamehana.
Manamafy ny ao amin’ny Jirama fa tsy misy ny fikarakarana manokana, na iza izy na iza. Satria, mety misy ny fiheverana fa mpanjifa vaventy, mahavita manangana fotodrafitrasa ao anatin’ny fotoana fohy, ka mangataka hampidiran-jiro ao anatin’ny fotoana fohy. Mitovy avokoa ny fikarakarana ny mpanjifa, na vaventy na madinika, mba hisian’ny mangarahara, hoy ihany ny fanazavana avy ao amin’ny Jirama.
Etsy ankilany, tsy misy olana fa mitohy ny fandraisana ny fangatahan’ny fampidiran-drano ao amin’ny Jirama.
Njaka A.




