Fantina sy fintina

 Firenena iombonana ary andraikitra hiaraha-manana ny fanavaozana sy fanarenana, araka ny nambaran’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, tamin’ny fakan-kevitra teny Iavoloha, afakomaly. Noraisiny ho adidy ny mitondra tolo-kevitra ho fanavotana ny firenena amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy, araka ny nambarany.

 Nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra teny Iavoloha ireo filoha teo aloha. Anisan’izany ny filoha isany, Ravalomanana sy Rajaonarimampianina. Teo koa ny filoham-panjakana isany, Ratsirahonana Norbert Lala sy Rakotovao Rivo. Noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël koa ny depiote sy ben’ny Tanàna ary ny tangalamena.

 Nidina eny ifotony avy hatrany ireo birao politikan’ny Tim amin’ny fameloma-maso ity antoko naorin-dRavalomanana ity. Nihaona tamin’ireo mpitarika ao amin’ny faritra Vakinankaratra izy ireo, omaly. Nisy ny fanomezana ny paikady, ny toromarika sy ny fitsipika ho an’ny mpikambana. Eo koa ny politika sy ny fikaonandoha ary ny fifidianana.

 Vita sonia ny fifanarahan’i Madagasikara momba ny ady amin’ny heloka ana habaka na «Convention de Hanoï ». Natao tao amin’ny ONU ao New York, tamin’ny herinandro teo izany, tamin’ny alalan’ny solontena maharitra ao amin’ny ONU, Rahajarizafy Lanto.
Dingana amin’ny fahavononana hanamafy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena izany.

Partager sur: