Fanampiana ara-bola mivantana. Mitentina 10 miliara Ar ny famatsiam-bola omen’ny fitondram-panjakana ny Société d’études, de construction et de réparation navales (Secren) hanamafisana ny renivolany sy hanohanana ny fanarenana ny orinasa. Hetsika tafiditra ao anatin’ny ezaka hamahana ny olana mianjady amin’ity orinasa ao Antsiranana ity. Tonga teny an-toerana ihany koa ny delegasionina iraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) nanokatra fanadihadiana sy hitady vahaolana maharitra ho an’ny orinasa. Tao anatin’izay, nisy ny dinika fifanakalozan-kevitra tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny mpiasa. Nitsirika sy nitady ny fototry ny olana misy eo anivon’ny orinasa ihany koa ny iraka.
Ankehitriny, miandry ny valin’ny tsirika natao sy ny fanapahan-kevitra hivoaka ny rehetra. Efa voarain’ny orinasa ihany koa ny tohana nomena azy. Notsidrin’ny MIDSP fa vonona hitady vahaolana maharitra hanarenana ny orinasa ny fanjakana. Kendrena manokana ny hampaharitra ny asan’ny orinasa ho an’ny fampandrosoana ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina.
Henintsoa




