Niakatra ny tanjaky ny herinaratra vokarin’Andekaleka taorian’ny nandatsahana orana artifisaly. Na izany aza, tsy mbola ampy ny filan’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA).
Nandatsahana orana artifisialy, tany amin’ny manodidina an’Andekaleka, nanomboka ny alatsinainy teo ary nitohy hatramin’ny omaly. Araka ny fanazavana nomen’ny talen’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), Rakotonandraina Solofonantenaina, omaly, tsy mbola ampy 25 MW ny famatsiana herinaratra ato amin’ny RIA. Efa nahatratra namokatra herinaratra hatrany amin’ny 114 MW ny tany Andekaleka, ny alatsinainy teo, saingy, nidina ho 80 MW indray izany, omaly alarobia. Faharoa, na teo aza izay fandatsahana orana arifisialy izay, iaraha-mahita fa maloka ny andro eto Antananarivo sy ny manodidina tato ho ato. Vokany, nihena ho 20 MW ny herinaratra vokarin’ireo toby avy amin’ny herin’ny masoandro, raha tokony ho 40 hatramin’ny 50 MW.
Antony fahatelo, misy fahasimbana ireo toby mamokatra herinaratra avy amin’ny solika eto Antananarivo. Misy milina roa simba, an’ny orinasa Afripower, eny Ambohimanambola. Mbola hafarana avy any ivelany koa ny fitaovana sy ny kojakoja hanarenana ny Tac 1, eny Ambohimanambola ihany koa.
Toby vaovao mamokatra 4 MW
Na izany aza, tokony hiverina amin’ny laoniny ny famatsian-jiro ao amin’ny tambajotra RIA raha vao tonga ireo kojakoja sy famerenana amin’ny laoniny ny famokaran’ny Afripower. Ankoatra izay, nanome fanazavana ihany koa ny talen’ny RIA fa hisy orinasa malagasy vaovao, Mado, hamokatra herinaratra hanana tanjaka 3,4 MW eny Ambohimanambola. Manampy ireo ny fanohizana ny fametrahana toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, toy ny any Moramanga, hanana tanjaka 15 MW, ka 5 MW ny vokatra voalohany. Hamokatra 3 MW ny toby eny Mangatany, ho vita amin’ny faran’ity volana septambra ity, miampy 2 MW avy amin’ireo toby hafa. Eo koa ny hanafarana milina vaovao hanana tanjaka 7 MW sy 13,2 MW avy any Afrika Atsimo.
Njaka Andriantefiarinesy




