Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy seniors, lahy sy vavy. Ho an’ny vehivavy, mbola voahosotra ho tompondaka indray tamin’ity taom-pilalaovana ity ny ekipan’ny My-Sah Itasy rehefa nandavo ny THBC Analamanga, tamin’ny isa 24 no ho 21. Raha hiverenana ny fifanandrinana teny an-toerana, niady tanteraka ny lalao, nifanenjika hatrany ny isa teny amin’ny solaitrabe ho an’ny andaniny sy ankilany, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Isa ady sahala, 11 no ho 11, nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anaty fidirana faharoa, samy niezaka nitady ny isa ho tombony ho azy ny roa tonta, ary samy nanome ny heriny hatrany ny klioba tsirairay, saingy ry zareo avy atsy Itasy no nanatombo tamin’ny traikefa, ka niafara tamin’ny isa 24 no ho 21 ny lalao, nandresy ny My-Sah. Ho an’ ny lehilahy indray, izay adin-dry zareo samy Atsinanana, lasan’ny Littoral, tompondaka farany teo ny laharana voalohany rehefa resin’izy ireo 43 no ho 28, ny ekipan’ny HC Est. Ankoatra izay, ampahafantarina ihany fa hampiantrano ny fifaninanana afrikanina, faritra fahafito, “IHF Trophy” sokajy seniors, vehivavy, i Madagasikara, ny 29 septambra-4 oktobra ho avy izao, eny Vontovorona.
Fitia Randria




