Tolo-kevitr’ireo ben’ny Tanàna: hatao maharitra valo volana ny propagandy

Anisan’ireo nitondra sosokevitra teny Iavoloha ny Fikambanan’ny firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny fanavaozana ifotony nasionalin’i Madagasikara, afakomaly. Voarakitra ao anatin’izany ny momba ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fampielezan-kevitra.

«Farafaharatsiny valo volana ny fotoana ho an’ny fampielezan-kevitra », hoy izy ireo amin’­izany tolokevitra izany. Nambaran’ireto solontenan’ny ben’ny Tanàna ireto fa midadasika i Madagasikara. Fari­tany enina sy faritra 24 ary hatrany amin’ny 1 695 ireo kaominina. Mety tsy hahafahan’ny kandidà rehetra manazava amin’ny antsipiriany ny vina sy ny fandaharanasany amin’ny vahoaka manerana ny firenena ny fe-potoan’ny fampielezan-kevitra roa na telo volana. Malalaka ka afaka mitsidika tsara ireo faritra ireo anefa ireo kandidà amin’izany valo volana izany. Mihaona amin’ny vahoaka sy mihaino ny olana ary koa ny hetahetany. « Hahafahan’ireo kandidà manazava ny tetikasany sy manolotra ny vina ara-toekarena sy ara-tsosialy ary manolotra ny drafitra fampandrosoana na koa andraisany anjara amin’ny adihevitra ampahibemaso io fotoana lavalava io », hoy ihany ireo ben’ny Tanàna. Tanjona ny hanomezana fotoana ampy ny vahoaka hahafantarany, hampitahany ary handinihiny ireo tetikasa samihafa. Nohitsin’izy ireo fa tsy tokony hifidy anarana na olona fotsiny ny olom-pirenena.

Miahiahy ireo ben’ny Tanàna
Etsy andaniny, manahy ireto ben’ny Tanàna ireo fa mety hiteraka fifantohana be loatra amin’ny fandaniana ao anatin’ny herinandro vitsy raha fohy ny fotoan’ny propagandy.
« Mety ho voatery hitady vola sy fitaovana haingana ireo kandidà. Mety hiteraka fiankinandoha ara-bola amin’ireo mpiara-miombon’antoka, mpampiasa vola na mpamatsy vola sasany izany », hoy izy ireo. Manampy izany ny mangarahara amin’ny fanomezana; ny fanaraha-maso ny fandraisana anjara amin’ny endrika fitaovana na tolotra; ny fandraràna ny fampiasana tsy ara-dalàna ny fananan’ny fanjakana.

Synèse R.

Partager sur: