Nanamarika ny dian’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, any Paris, ny fihaonany amin’ireofiloham-panjakana. Omaly, nyfilohan’i Djibouti, i Ismael Omar Guelleh, no anisanynihaonataminy. Nifantohan’nyresakynyroatontanyfiaraha-miasaazoataoeoamin’iMadagasikarasy i Djibouti. Tanjonanyhampivelarananysehatrynyfifandraisanaeoamin’nyfirenenasamyafrikanina.
Tsiahivina fa niatrikany fihaonana an-tampony iraisam-pirenena momba ny habakabaka no tena anton-dian’ny filohan’ny Fanavaozana any Paris. Taorian’izay, nihaona tamin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, taoamin’ny Lapam-panjakana Elysée izy. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tontany resaka. Marihina fa filoham-panjakana maherin’ny 90 no nahazo fanasana amin’ity fihaonana an-tampony iraisam-pirenena mombany habakabaka ity. Ao anatin’izay, mbola ao anaty fandaharam-potoanan’ny kolonely Randrianirina Michaël, ny hihaona amin’ireo filoham-panjakana sasantsasany.
Mbola hitohy any Bélgique ny dian’ny Filoha, ka manana fikasana hihaona amin’ny Praiminitra Belza, i Bart de Wever,izy. Hisy ihany koa ny fihaonany amin’ny filohalefitry ny kaomisiona europeanina, i Kaja Kallas.
Mi.Raz




