Vaovao tambatra

 Ronono mandry 2 kaontenera efa lany daty no nihitsoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Maha­janga noho ny tsy fandoavan’ny orinasa mpanafatra haban-tseranana. Tratra nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo tomponandraikitra samihafa izany. Tao­rian’izay, naverina nohidiana ireo kaontenera ary nasiana tombokase. Andraisana fepetra ka tsy maintsy ho potehina ireo ronono mandry lany daty ireo.

 Vita avokoa ny 80% ny fotodrafitrasa hahafahana mampisitraka rano fisotro madio ho an’ny mponina miisa 14 000 ao amin’ny distrikan’Ambato Boeny. Ahitana siniben-drano manana hadiry 250 m³, tobim-panadiovana rano, labasy 100 m³. Misy “bâtiment d’exploitation”, toerana fakana rano avy amin’ny reniranon’i Betsiboka ary fantsona mitondra rano mirefy 1 600 m, miaraka amin’ny kioska fivarotana rano sy ny fanarenana ny tambajotra fitsinjarana koa ny fotodrafitrasa.

 Hampifanaraka ny laharam-pahamehana sy ny fomba fijery momba ny fitantanana maharitra ny jono lamatra. Io ny tanjona nandritra ny fivorian’ny komitin’ny Jono (Cofi) eo anivon’ny FAO izay atao any Roma, Italia. Nifantoka tamin’ny fametrahana ny CSA, ny fanentanana amin’ny fanaovana sonia ny MoU ary ny drafitrasa ho an’ny taona 2026-2027, ny andro faharoan’ny Cofi faha-37.

Partager sur: