Barea A sy ny U23: mikasa hanao lalao ara-piraha­lahiana

Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), mikasa hanao lalao ara-pirahalahiana ny Barea U23 sy ny ekipa nasionaly malagasy zokiny.

“Hitsapa kianja”! Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika lalao ara-pirahalahiana, aorian’ilay lalao roa izay ihaonana amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana “Can 2027”, ny Barea A. Raha ny fanazavan’io loharanom-baovao io, tsy mbola voafaritra ny anaran’ilay ekipa hihaona amin’izy ireo amin’izany. Ny teknisianina sy ny staff Barea no hamaritra hoe: iza no azo hanaovana lalao fitsapana rehefa vita ilay fihaonana amin’ i Tan­zania, ny 29 septambra ho avy izao, atsy Maroc.
Ankoatra ny ekipa nasionaly zokiny, milaza ity mpampita vaovao ity fa mety hanao fifanandrinana ara-pirahalahiana ihany koa ny Barea zandriny U23, atsy France, mandritra ilay fe-potoana nomen’ ny Caf hihaonana amin’i Co­mores, izay niala an-daharana. Tsara marihina fa ny Mala­gasy izay hifandona amin’­i Afrika Atsimo, ny volana no­vambra ho avy izao. Lalao izay tafiditra anatin’ny fifanin­tsanana hiatrehana ny “Can U23 2027”, hotontosaina any Egypte.

Mbola miandry ny lisitra …

Hatramin’ny nanoratanay, omaly, tsy mbola namoaka ny anaran’ireo mpilalao voaantso Barea A ny eo anivon’ny Fe­de­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Misy amin’­ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany nefa efa milaza fa voaantso. Anisan’izany ilay vodilaharana, Eshan Kari. Tsy izay ihany fa mbola ma­metra-panontaniana ihany koa ny mpanaraka sy ny mpankafy baolina kitra mala­gasy ny amin’ny hoe : “ Aho­ana ny mahakasika ny fifantenana ny Barea U23 ? ”. An­drasana ny tohin’ny raharaha sy ny vaovao ofisialy avoa­kan’ny Fede­rasionina.

Fitia Randria

Partager sur: