Ambohipihaonan’ny mpamokatra, tantsaha, ny indostria, ny mpandraharaha ary ny mpampiasa vola ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny famokarana (FIA), andiany faha-8. Tsy afa-misaraka ny famokarana sy ny sakafo. Antony hanatanterahana ny Festival international de la Gastronomie (FIG) andiany faharoa, ihany koa. Nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny alahady ny hetsika, izay atao eny amin’ny CCI Ivato. Miara-misalahy ny famokarana sy ny tsena. Antony hampirisihany ny mpandraharaha hanatsara ny vokatra sy ny tolotra ataony, hanavao sy hifanaraka ihany koa amin’ny filan’ny mpanjifa izany. « Vavahady manokatra lalam-barotra ho an’ny tantsaha ny hetsika, noho izy mampivondrona ireo orinasa mpanangom-bokatra amina toerana iray », hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny MadaVision, Andrianasolo Hery, nandritra ny fanokafana ny hetsika.
Rafitra ara-toekarena
Sehatra hifanakalozana sy hanomezan-danja ireo ezaka, haivao ary fampiasam-bola amin’ny famokarana maharitra sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ny FIA. Rohy mampifandray ny fambolena sy ny haitao ara-tsakafo ny kalitaon’ ny vokatra. Hivoitra izany mandritra ny efatra andro hanaovana ny hetsika. Fotoana ihany koa hanandratana ny vokatra eto an-toerana sy ny seha-pihariana malagasy. Kendrena ny hanamafy ny fifandraisan’ireo mpisehatra sy hampitombo ny sandan’ ireo vokatra eto an-toerana. Marihina fa maherin’ny 250 ny mpandray anjara. Hisy ny lohahevitra ho voaboasana mandritra ny efatra andro. Tanjona ny hisarihana mpitsidika maherin’ny 25 000.
Henintsoa




