Toamasina: niverina ny fanamboaran-dalana

Mamatsy vola ny fanarenana ny Araben’ny fahaleovantena eto Toamasina ny orinasa Ambatovy. Mitentina 5 miliara Ar izany, izay avy amin’ny tamberim-bidy naloan’ity orinasa ity. Nitondra fanazavana ny tomponandraikitry ny orinasa Colas, manatanteraka ny asa, ny 9 septambra teo. Tsiahivina fa natomboka tamin’ny 17 jolay ny asa, izay tokony haharitra 4 volana. Saingy, niato nandritra ny 2 herinandro ary efa neso­rina teny an-toerana ireo fitaovana rehetra. Antony, tsy mbola nivoaka ny fanomezan-dalana, « ordre de service ». “Tsy mbola nirotsaka tao amin’ny kaontin’ny orinasa ny ampaham-bola hiasana, fa natao foana ny asa, na tsy nisy aza ny antoka ho an’ny mpiasa. Milamina izany, ankehitriny, ka izao niverina miasa izao indray izahay”, hoy Ramatoa Odie Mamilalao, lehiben’ny teknisianina misahana ny fanarenana ity lalana ity.
Hanome endrika ny tanànan’i Toamasina ity asa fanatsarana ny Araben’ny fahaleovantena ity, amin’ny maha renivo­hitra ara-toekarena azy.

Sajo

Partager sur: