Tselatra 

Nanapoaka basy tao amin’ny faritry ny tokotaniny, teny Soavimbahoaka, ny mpandraharaha iray, ny alin’ny alarobia. Mamo izy ary nihevitra fa nisy jiolahy tafiditra tao an-tranony. Niditra an-tsehatra ny polisy ka niteraka fifampitifirana hafa izany. Nosamborina ny tenany taorian’izay, hadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy. Tsy nisy ny naratra sy ny ainy nafoy. Marihina fa nisy nanafika izy, telo andro talohan’io.

Hita soamantsara ny harivan’ny 8 septambra teo ny tovovavy iray 14 taona, voalaza fa tsy hita tao anatin’ny enim-bolana. Nirenireny sy nangataka teny amoron-dalana, teny amin’ny manodidina ny Tetezany Bekiraro izy. Niara-nipetraka tamin’ireo olona tsy manan-kialofana nandritra izany. Efa eo ambany fikarakarana sy fanadihadiana izany ny mpitandro filaminana.

Tra-tehaky ny Zandarimaria tany Ambatondrazaka sy Vavatenina, tamin’ity herinandro ity, ireo mpaka an-keriny sady mpivarotra zaza varira, miisa fito, ny 6 sy 7 septambra teo. Nalain’izy ireo an-keriny tany Ambalabe, kaominina Ambodimangavalo, distrikan’i Vavatenina, ny 31 aogositra teo, ny zazavavikely varira, telo taona. Avotra soamantsara ilay zaza na dia hita fa tsy salama aza.

Voasambotry ny zandarimaria tany Antanambao Ambony, kaominina Antsahabe, distrikan’Antsohihy, ny 6 septambra teo i Letofy. Tratra nanolana vehivavy sy nanendaka izy. Hitany teny an-dalana ny vehivavy 47 taona, nosakanany sy nentiny tany anaty ala. Nanamparany ny filan-dratsiny. Taorian’izay, nangalariny avokoa ny zava-tsarobidy teny amin’io renim-pianakaviana io. Nitaraina tamin’ny fokonolona ity farany ka nisambotra ilay olon-dratsy.

Partager sur: