Eny Amoronankona avokoa ny fiaingan’ny fiara mpitatitra rehetra, manomboka ny alarobia 16 septambra ho avy izao. Foana tanteraka, noho izany, ny fiaingana eny amin’ny Fasan’ny Karana. Voakasik’izany ireo mpampiasa ny RN2 sy ny RN7, afa-tsy ireo manana ny toby tsy miankina, manana alalana manokana, na ireo miantsinanana eny amin’ny Toby Maki. Hisy fiara mpitatitra manokana hihazo an’Amoronankona, sady hampitomboina ny isan’ny zotra an-dalamby, hanamorana ny fivezivezena.
Mampifandray ireo faritra lavitra sy mbola tsy voarakotra ny teknolojia “Direct-to-Device” (D2D). Mampihena ny elanelana ara-jeografika sy ara-niomerika izy. Nivoitra ireo nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny habakabaka natao tany Paris, ny 9-10 septambra. Hifototra amin’ny rafitra ara-dalàna sy ara-teknika mazava, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, i Madagasikara.
Hisantatra ny fampiasana ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny Tahirimbolam-panjakana, eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena (MEF). Niofana mahakasika azy ny tomponandraikitra sy ny teknisianina, ny 8 septambra teo. Tanjona ny hahafahana mamakafaka ny fomba fiasa, ny fifehezana ny fangatahana ampiasana ny IA, mba hialana amin’ny mety ho fahadisoan’ny valinteny omeny, sns.




