Noraisin’ny praiminisitra Belza, Bart De Wever, ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, ny 10 septambra teo, amin’izao diany any Belzika izao. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Belzika ny fihaonana. Anisan’ izany ny eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana sy ny fampiasam-bola.
Nametraka fitoriana noho ny fahazoan’ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny zom-pirenena malagasy ny eo anivon’ny Primatiora. Nivoitra tamin’izany fa tsy ara-dalàna ny fahazoany izany zo izany tamin’ny filatsahan-kofidina ny taona 2023. Hiroso amin’ny fihainoana ny eo anivon’ny fitsarana, ka anisan’izany ny mpitory sy ireo voakasiky ny taratasin’ady.
Ben’ny Tanàna miisa 19 amin’ny kaominina 19, any amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana no miara-dia amin’ny VFM. Resy lahatra izy ireo ka manohana ny ezaka fanavaozana sy fampandrosoana ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana. « Iray tsy mivaky izahay ben’ny Tanàna rehetra ireo », hoy izy ireo.
Mitaky ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena ny eo anivon’ny antoko Kintana, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny, Ralainirina Marce. Nanterin’izy ireo fa ilaina izany ahafahana miroso amin’ny fanavaozana. Na izany aza, nohitsin’ity antokon-dRandriamanantsoa Tabera ity fa tsy midika ho tsy fanenjehana ireo nandika lalàna izany.




