Mihoatra ny 100 dolara ny vidin’ny barila amin’ny Brent amin’izao fotoana, noho ny fihenjanana any Moyen-Orient sy ny fahatapahan-draharaha eo amin’ny fitaterana an-dranomasina. Sambany, hatramin’ny volana jolay, no nisian’ny fiakarana toy izao ka mampanahy sahady ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra eo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny Banky foibe lehibe momba ny tahan-janabola sy ny tsena.
Anisan’ireo mandray anjara amin’ny FIA 2026 ny orinasa Odof. Ao anatin’izany ny Ampalia Antsirabe sy ny Huillerie industrielle d’Anjozorobe. Ireto farany izay manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eny ifotony. Manodina ny vokatra eto an-toerana izy ireo ka mampitombo ny sandany, mamorona asa ary manohana ny mpamokatra.
Antoka hisarihana ny fampiasam-bola sy hananana indostria mahomby, matanjaka sy maharitra ny fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana. Antony mahatonga ny fanjakana mifantoka amin’ny fanatsarana izany, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanodinan-tsakafo.




