Ambohidratrimo Zaza 3 taona maty notorahan-drainy biriky

Nialan’ny mpitsabo nenina, tsy tana ny ain’ny zazavavy telo taona notorahan’ny rainy biriky tao Ambatomainty, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, ny alahady 6 septambra lasa teo. Nifamaly tao an-trano ny ray sy reny niteraka azy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Nosimbain-drangahy avokoa ny entana tao an-trano, ny harivan’ny sabotsy 5 septambra, tamin’ny 5 ora sy sasany. Tsy sahy nanohitra ilay ramatoa vadiny. « Nentiny nivoaka ny trano ny zanany vavy. Saika hila vonjy tamin’ny mponina manodidina izy », hoy ny loharanom-baovao. Naka tapa-biriky tampoka anefa ilay rangahy. Noto­rahany ity vady aman-janany. Voan’ny biriky teo amin’ny lohany ilay zaza teny an-tanan-dreniny. Naratra mafy, nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly Ambovo. Nakarina nihazo ny hopitaly teny amin’ny HJRA Ampefiloha. Tsy tana ny ain’io zaza io ny alahady 6 septambra tamin’ny 10 ora alina.
Nametraka fitoriana teny anivon’ny manampahefana ny rafozan’ilay lehilahy nahavanon-doza. Niroso tamin’ny fisamborana ilay ray nahavita namono nahafaty an-janany ny zandary. Tsy afa-nanda intsony izy. Voalaza fa mamo ilay rangahy tamin’ny fotoana nanaovany ny fanakorontanana tao an-tokantranony sy tamin’ny fotoana nitorahany ny vady aman-janany. Nota­zo­­mina natao fanadihadiana, talohan’ny nanolorana azy teny anatrehan’ny fampanoavana ity farany. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: