Fantina sy fintina

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any Belgique, sady solontena eo anivon’ny Vondrona eoropeanina ao Bruxelles ny filoha nasionalin’ny antoko HVM (Hery vaovaon’i Madagasikara), Rakotovao Rivo. Nandritra ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny sabotsy 12 septambra lasa teo no namoahana izany.

Nanao fanambarana ny VFM (Vovonan’ny fihavaozana ho an’i Madagasikara). Nambaran’izy ireo fa ny vahoaka no tompon’ny teny farany ary manaja tanteraka ny tolona nataon’ny Gen Z, tamin’ny 25 septambra 2026, ny VFM. Mitovy tanteraka amin’ny fotokevitra ijoroany ny tolona nentina tamin’ny 2025 dia ny ” ho an’ny tanindrazana ny asa atao rehetra”.

Nipoitra tao anatin’ny tolona izay nataon’ny tanora mpitolona rehetra « Hetsika Gen Z » ny Fanilon’ny fanavaozana an’i Madagasikara. Handray anjara ihany koa amin’ny fahatsiarovana ny tolona izay natao tamin’ny 25 septambra 2025, araka izany, izy ireo ho fahatsiarovana io daty manan-tantara io.

Partager sur: