Mbola manohy ny diany amin’ny fifaninanana afrikanina, « Ligue des champions Caf », ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nangoron-damba kosa ny ekipan’ny FC Rouge tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf ho an’ireo klioba.
Tafakatra any amin’ny dingana manaraka amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo klioba, « Ligue des champions Caf », ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nanao ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny Lijabatho FC Lesotho izy ireo nandritra ny fihaonana miverina natao ny asabotsy lasa teo, tany Afrika Atsimo. Tsiahivina fa efa lavon’ny Malagasy, 2 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, tany amin’ ny fihaonana mandroso. Rehefa natambatra ny fihaonana roa izay nataon’ny roa tonta, mivoaka ho mpandresy, 3 no ho 1, ny solontenan’i Madagasikara. Raha hiverenana ny fihaonan-dry zareo, i Tendry no nampiditra ny baolina ho an’ny Malagasy, teo amin’ny minitra faha-50, fizaram-potoana faharoa. Efa tany amin’ny faha-88 min vao nahasahala ny baolina ny Lijabatho FC, ary nijanona tamin’io ady sahala io ny lalao.
Ny klioban’ny Young Africans avy atsy Tanzania kosa no miandry ity solontenan’i Madagasikara ity eo amin’ny fihodinana manaraka.
Raraka ny FC Rouge …
“Nandalo niserana ihany…!” Nifarana hatreo kosa ny dian’ny FC Rouge tamin’ity “Coupe de la confédération Caf” ity. Mbola resin’ny Red Arrows Zambia, 2 no ho 0, indray ry zareo, omaly, tatsy Maurice. Ampahatsiahivina fa efa lavon’ny Zambianina tamin’io isa 2 no ho 0 io ihany ity tompon’ny amboara nasionaly ity, nandritra ny lalao mandroso. Marihina fa tamin’ity vao nandray anjara tamin’ny fifanintsanana afrikanina ny FC Rouge.
Fitia Randria




