Fitaterana ana habakabaka: hiverina tsy ho ela ny Air Madagascar

Efa mikarakara ny fiverenany ho amin’ny marika Air Madagascar ny orinasa Mada­gascar Airlines. Vinavinaina ho tafapetraka manodidina ny faran’ny volana oktobra ny fiovana raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado, ny faran’ny herinandro teo. Efa efa-bolana nitantanana ny orinasany mantsy ny tenany ka nilaza fa mandroso ny dingan’ny fanarenana ny orinasa, indrindra amin’ny alalan’ny fifampiraharahana momba ny trosa sy ny drafi-panovana ny kaompania. Nambarany fa efa nahatratra 100 tapitrisa dolara ny trosan’i Air Madagascar, izay mbola ao anatin’ny fanarenana ankehitriny. Nohama­fisiny fa: «tsy fiovan’anarana fotsiny io fiovana ho Air Ma­dagascar io fa fanovana lehibe manerana ny sehatra rehetra toy ny fitantanana, ny fandaminana, ny varotra ary ny ara-bola». Efa napetraka ny drafi-panarenana, mifantoka amin’ny fanatsarana ny fandaminana, ny fifandraisana amin’ny mpanjifa, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ary ny fifehezana ny fandaniana. “Manaporofo ny fanarenana ny orinasa ny fiverenan’ny sidina mankany Kaomoro. Eo ihany koa ny vina hisokafan’ny sidina mankany La Réu­nion, Chine, Bangkok ary Marseille», hoy hatrany ny fanazavany. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Razafindralambo Didier Alban, ny fanoloran-tena amin’ny kalitaon’ny asa sy ny fangaraharana. Hisy fanazavana tsy tapaka avy amin’ny orinasa momba ny fandrosoan’io fiovana ho Air Madagascar io.

Henintsoa

Partager sur: