Fonja Ambalatavoahangy: voafonja 278 nahazo fanalefahan-tsazy

Voafonja miisa 278 ao amin’ny fonjan’Ambalata­voahangy, kaominina Toamasina, no voakasika tamin’ny fanalefahan-tsazy avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona lasa teo. Taorian’ny didy fampiharana ny famotsoran-keloka na ny fampihenan-tsazy, voafonja miisa 75 no nivoaka ny fonja, ny 28 aogositra lasa teo. Samy manana ny saziny ny tsirairay ka misy ireo mbola voatery mamita ny sazy sahazy azy. Zaza tsy ampy taona ny iray tamin’ireo voafonja voatery mamita izany na dia voakasika tamin’io fanalefahan-tsazy io aza. Amin’ny ankapobeny, mananika ny 1 006 ireo voafonja ao Am­balatavoahangy taorian’ny nivoahan’ireo 75 nahazo fanalefahan-tsazy. Raha tsiahivina, voafonja telo lahy nandositra ny fonja tao an-toerana, roa herinandro lasa izay. Voan’ny bala ny iray ka namoy ny ainy. Tafaverina ao am-ponja kosa ny naman’ity farany izay voasambotra.

Sajo

Partager sur: