Hery vaovaon’i Madagasikara Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra

Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Ambodifasika Itaosy, ny kongresin’ny HVM (Hery vaovaon’i Madagasikara) ho an’Antananarivo. Nisy ny fehin-kevitra nivoitra tao anatin’izany, natolotry ny sekretera jeneraly.

Nanambara ofisialy ny antoko HVM, tamin’ny alalan’ny Sekretera je­neraliny, Rasambany Alain, fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra izy ireo ary manohana ny foto-kevitra ijoroan’ny fitondrana fanavaozana. Mametraka hatrany ity antoko ity ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara. Anisan’ny fehin-kevitra nivoitra koa ny tsy faneken’ny HVM ny maty manota eto amin’ny firenena. Tokony ho olona ao anaty antoko no mirotsaka ho fidina ary tsy tokony ho ekena ny firotsahan’ny kandidà ma­haleo tena, araka ny tatitra ihany. Mampirisika ary manome lanja ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-pirenena ny HVM. An­to­ko manome lanja ny maha olona ihany koa ity antoko anisan’ny vaventy eto Madagasi­kara ity. Nanamafy izay maha antoko vaventy azy izay avokoa ireo vondrona politika tonga nanatrika ny famaranana ny kongresy teny Itaosy ity.
“Anisan’ny mampatanjaka ny antoko politika iray ny fijoroany amin’ny foto-keviny”, io no nambaran’ny filoha mpanorina ny HVM, Rajaonarimam­pianina Hery. Nampahatsiahy izy fa nisy ny mafy nosedraina, indrindra ny tamin’ireny tolona tamin’ny taona 2025 ireny, saingy nijoro hatrany tamin’ny foto-keviny ny antoko, dia ny sosialy, liberaly ary demokraty. Tsiahivina fa lohahevitra tamin’ity kongresy ity ny hoe “Mifanohana ho an’ny fampandrosoana”. Nanaraka tanteraka izany ny antoko HVM ho fanarenana sy ho fampandrosoana an’i Mada­ga­­sikara. Nitaona ihany koa ny antoko ny hitambarana raha toa ka iray ny tanjona mba hiara-dia ho fanarenana ny firenena.

Mi.Raz

Partager sur: