Fihaonana tamin’ny Praiminisitra : Nangata-panazavana momba ny fanavaozana ny PTF

Notanterahina teny Ivan­dry, omaly, ny fihaonan’ny governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF). Maromaro ireo fangataham-panazavana nataon’ireo mpamatsy vola momba ny raharaham-pirenena.
Novalian’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy nohazavainy tamin’izany ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana.
Anisan’ny maika, araka ny nambarany, ny fanatanterahana ireo fanavaozana ara-drafitra ho amin’ny fanavaozana maharitra, ny fikarakarana fifidianana sy ny famindram-pahefana. Arahin’ny fanamafisana ny mangarahara sy ny fahatokisana amin’ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Eo koa ny famaliana ireo vonjy taitra sy fametrahana filaminana. «Fampitomboana ny fahazoana rano fisotro madio, ny fahazoana herinaratra sy fampihenana ny delestazy, ny fifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana», hoy izy. Anisan’ny notanisainy ho laharam-pahamehana koa ny fanatsarana ny fandriampahalemana, ny famoronana asa mendrika, ny fampitomboana ny famokarana ara-tsakafo ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa. Manampy ireo ny fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena, ny fahitsiana sy ny fahamendrehana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Voaresaka tamin’izany koa ny andraikitry ny governemanta, ny famatsiam-bola avy amin’ireo PTF ary ireo hetsika fototra hotanterahina, miampy ny vokatra andrasana. Nam­baran’ny Praiminisitra fa nanamafy ny maha zava-dehibe ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka izao fiaraha-midinika izao. «Ahafahana mamaly ireo filan’ny vahoaka sy manatanteraka amin’ny fomba mahomby ireo laharam-pahamehana ao anatin’ny Plate­forme des partenaires de mis en œuvre du PGER izany», hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: