Manana ny tetikasany i Madagasikara fa anjaran’ny mpamatsy vola ny manampy ny fanatanterahana azy, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Ivandry. «Kely ny fampiasantsika ny vola azo hatramin’izay. Lasa lavabe ny fotoana hamoahana ny vola ka efa nasiantsika fanovana izany», hoy izy.
Nivoaka tamin’ny fahanginany ary naneho ny heviny ny antoko Tia Tanindrazana. Nambaran’ny filoha nasionaly, Razafinjoelina Tahiana, fa manohana ny fampiharana ny fanjakana tokana izy sy ny antokony. Na izany aza, tokony ho fanjakana tokana anaty fitsinjaram-pahefana mazava izany, amin’ny alalan’ny fahefana sy ny vola.
Samy ahitana ny hetsika fahatsiarovana ny 25 septambra avokoa ireo renivohi-paritra. Anisan’izany ny hotanterahina eto Antananarivo, rahampitso, amin’ny alalan’ny fitokanana tsangambato etsy Anosy. Eo koa ny diabe eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Hanana ny azy koa anefa ireo mpianatra eny Ankatso sy Vontovorona amin’izao fanamarihana izao.
Mbola ao amin’ny fonjan’Avaradrano ny minisitra teo aloha, Ramonjavelo Valery. Nolavin’ny Pac ny fangatahan’ny mpisolovava azy hahazoany fahafahana vonjimaika na hapetraka eo ambany fanaraha-maso ara-pitsarana. Tsiahivina fa nahemotra amin’ny 27 oktobra ny fitsarana momba ny raharaha Boeing 777.




