Efa-dahy nahitana rongony nosamborin’ny polisy nanao fisafoana teto Antananarivo Renivohitra, ny alakamisy 8 septambra lasa teo. Nisava ireo olona naneho fihetsika nampiahiahy teny 67 Ha, Analakely, hatrany Ankazomanga sy Ankorondrano ny polisy.
Voasambotra teo amin’ny tetezan’i Ramala, teny Isotry, ny mpanao sinto-mahery iray, ny sabotsy 11 septambra teo. Nitory teny amin’ny polisy ny renim-pianakaviana lasibatra. Noraisim-potsiny ilay mpanao ratsy satria tadidin’ity ramatoa nendahiny ny endriny.
Nalefa ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, ireo telo lahy mpivarotra voamaso sy zaza varira, voasambotra teny 67 Ha. Nitady mpividy voamason’olona teto an-dRenivohitra ny roa lahy ka tratra. Nitoroka ny namany izy ireo.
Lehilahy mpanao taxi-moto norobain’ny olon-dratsy ka very ny finday sy ny moto teny aminy, tao Ambatondazaka, ny alin’ny sabotsy 12 septambra teo, tamin’ny 9 ora alina. Nodarohan’ny olon-dratsy, voatery manaraka fitsaboana ilay lasibatra.




