Hatramin’izao, manahirana ny mpahay fiarahamonina sy ny mpahay toetra amam-pihetsiky ny olombelona ny fisian’ny fihetsika tsy ahoan-tsy ahoana any amin’ny firenena hoe faran’izay mandroso: famonoan-tena, fitifirana olona faobe, fandoroana fiara na trano… Nefa tanora tsy manana olana eo amin’ny fiainana, mianatra na miasa milamina… Mahavita zava-doza tampoka? Noho ny famoizam-po, fahadisoam-panantenana, fahatofoham-piainana… Mety miara-dalana amin’izany ny fidorohana zava-mahadomelina, fankaharana loza amin’ny andranandrana na fahasahian-dratsy… Lazain’ny mpandinika sasany amin’izany fa tsy ny fahafaham-po ara-materialy na ny eto sy ny anio ihany ny fiainana.
Eto amintsika, miseholany etsy sy eroa ny fironan’ny tanora sasany amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, fanaovana herisetra… Tsy fisian’ny atao? Tsy mianatra, tsy miasa, tsy mahita fialamboly…. Nefa na mianatra sy miasa izao aza, misy voasarika amin’izany ihany. Noho ny naman-dratsy, ny hery vaikan’ny serasera? Tsy hay na tsy vita intsony ny manavaka ny tsara sy ratsy, ny mifehy tena… Fitaizana na fanabeazana no antony? Na ny fiheverana sy izay anaovana ny fiainana: iza ny tena, avy aiza, hanao inona, ho aiza…? Mandeha goana, manaotao foana… Tsaroana amin’ izany ny tenin’ny mpandinika iray izay hoe: ny ilaina voalohany raha hampandroso firenena dia ny fanabeazana; faharoa, ny fanabeazana; fahatelo, ny fanabeazana. Lehibe tsy azo ihodivirana.
Amin’izao hoe fanavaozana na fanovana izao, aiza ho aiza izay hoe fanabeazana izay? Miainga amin’ny ankizy sy ny tanora ny olom-pirenena. Ny hazo, hono, no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara. Na tokantrano io, na sekoly, na fiarahamonina, na toeram-piasana, na fiangonana.. Tsy misy afa-bela?
R. Nd.




