Hentitra ny fanjakana amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena eto amintsika. Omaly, vehivavy, Malagasy iray, saika handray sidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra niaraka tamin’ny volamena milanja 5,75 kg.
Tsy nandalo fitsirihana araka ny fenitra tokony ho izy ny valizy nanafenany ireo volamena fa nalefa avy hatrany tany anaty fiaramanidina, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Voalaza fa indroa isan-kerinandro no misy mamoaka volamena toy izao ireo tambajotra mpanondrana antsokosoko ka efa fantatry ny mpiasan’ny seranana io fomba fanao io. Manoloana izany, nametraka paikady manokana ny filoha sy ny Fiadidiana ny Repoblika ka nahatrarana ity fanondranana antsokosoko ity. “Tsy handefitra amin’ny tranga toy izao intsony ny fanjakana”, hoy ny kolonely Randrianirina Michaël. Efa fantatra, hoy izy, ny tambajotra manao io raharaha maloto io ka harahina hatramin’ny farany ny raharaha, eny na efa any am-pigadrana aza dia hofantarina na mbola voatazona na nisy namoaka tany am-ponja, raha ny fanazavany hatrany.
Fanapahan-kevitra
“Anisan’ireo paikady horaisina ny hametrahana olona manokana hisava ny entana hatrany amin’ny fidirana ny fiaramanidina”, hoy ny kolonely Randrianirina Michaël. Notohizany fa fitiavan-tanindrazana no anton’izao asa fanaraha-maso izao, ka hitandro ny harem-pirenena hatrany ny fanjakana mba ho fampivoarana ny firenena. Nanotrona ny hetsika ireo minisitra sy tomponandraikitra samihafa. Mbola mitohy ihany koa ny fanadihadiana ny raharaha mba hahafantarana ny tambajotra tompon’andraikitra ao ambadik’izao fanondranana antsokosoko izao.
Henintsoa




