Ravan’ny mpitandro filaminana miasa ao Avaradrano ny fanafihan-jiolahy niseho tao amin’ny fokontany Antsapandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrika Avaradrano, ny marain’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, nisaron-tava, ireo mpanao ratsy, araka ny loharanom-baovao. Nosikirin’izy ireo ny varavaran’ny trano tao amin’ilay tokantrano nokasainy hotafihina. Nanapoaka basy ireo jiolahy nentina nampitahorana ny mponina manodidina. Tetsy ankilany, nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny zandary miasa ao amin’ny kaominina voakasika. Tonga ara-potoana vantany naharay ny antso avy amin’ny tompon-trano lasibatra izy ireo. Tratra teo amin’ny fokontany nanaovany ny asa fanafihana ireo jiolahy. Nitazan-davitra, nanapoaka basy teny aminy ireto farany. Tsy nihemotra ny mpitandro filaminana ka niroso sy nitady hevitra hisamborana ireo mpanao ratsy. Efa nisy tafiditra teo ambany lavarangana ny jiolahy sasany raha toa ka nitazana teny ivelan’ny tanàna ireo hafa. Niara-nanao tari-dositra izy ireo ka tafaporitsaka nandritra ny haizina. Tsy nisy aina nafoy ary tsy nahazo na inona na inona ireo mpandroba. Manentana hatrany ny fokonolona hampandre ara-potoana raha misy trangan-javatra hafahafa miseho ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.




