Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra, omaly, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia eto Madagasikara, i Alexe Buriak. Fanamafisana fampivoarana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Rosia ny dinika nandritra ny fihaonana.
Hisy ny fotoam-bavaka sy antsam-piderana ho firaisan-kina ho an’ny taninjanaka, ny 18 septambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tafiditra amin’ny hetsika fahatsiarovana ny tolona tamin’ny 25 septambra 2026 izany, izay eo ambany fiahian’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta.
Mijoro mazava amin’ny fiarovana ny fahalalahana, ny fahaleovantena ary ny zo handray fanapahan-kevitra ananan’ny ben’ny Tanàna tsirairay, ny Vovonana Nasionaly Gen XYZ Malagasy. Olom-boafidin’ny vahoaka ny ben’ny Tanàna, hoy izy ireo ka tsy tokony ho fitaovana fehezin’ny vondrona iray, fikambanana iray na tombotsoa politika manokana.
Tokony hanambatra hery ho arofanin’ny fanavaozana eto amin’ny firenena, ny tanora nitolona, araka ny nambaran’ny Tale kabinetra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Fotoana izao, hoy izy, hivondronana ho iray, ka hamoaka feo tokana ho an’ny raharaham-pirenena.




