Tonga eto Madagasikara, ny alahady teo, ny kojakoja nafarana avy any ivelany hanarenana ny milina mpihary herinaratra TAC 1 eny Ambohimanambola. Novinavinaina ho efa omaly alatsinainy no vita ny fametrahana azy ireo ka hiverina amin’ ny laoniny ny tanjaka 15MW hatramin’ny 18 MW, mamatsy ny tambajotra RIA Antananarivo.
Mandalo eto Madagasikara ihany koa ny teknisianina avy amin’ny orinasa Elécticité de France (EDF). Miisa telo ireo delegasionina, ahitana an’i Xavier Schambourg, lehiben’ny Tetikasa “Farouk Amir”, injeniera amin’ny Fanaraha-maso sy fibaikoana ary Servet Saban, injeniera amin’ny fanadihadiana ny Tanjaka mahery vaika (HT). Notsidihin’izy ireo, niaraka tamin’ny teknisianina malagasy, omaly, ny toby Jirama PIA Ambohimanambola sy ny Sous-station Ambodivona. Nisy ny fifanakalozana traikefa sy ny fizarana ny fomba fiasa tsara manodidina ny lafiny teknika sy ny fifehezana ireo fitaovana mifandraika amin’ny herinaratra. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra ny ara-teknika toy izao, hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra amin’ny famatsiana sy ny fitsinjarana ny herinaratra eto Madagasikara.
Njaka A.




