Niakatra fampanoavana omaly, teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny raharaha mahakasika ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona niseho tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny talata 8 septambra teo. Taorian’ny fakana am-bavany, nataon’ny mpitsara azy, naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ilay mpamily, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Fantatra fa ny 13 oktobra 2026 ho avy izao no hiakatra fitsarana ny raharaha, raha ny fanazavana voaray hatrany. Raha tsiahivina, tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny 8 septambra tamin’ny 2 ora tolakandro ny fiara taxi-be zotra 186 izay nentiny. Voafaoka ny olona sivy nandeha an-tongotra tamin’ny ankavanan-dalan’ny fiara. Nahatratra dimy ny namoy ny ainy, rehefa tsy nahatohitra ny ratra mafy nahazo azy ireo. Maty ny andron’io ny roa, maty ny alina ny roa hafa. Namoy ny ainy roa andro taorian’ny loza kosa ny iray hafa. Voalaza fa niala bisikileta ny mpamily sady nisy aloka nanaloka azy, antony nahatonga ny loza, raha ny fanazavana nataon’ny vadiny.
Lehilahy maty voafaokan’ny fiara
Namoy ny ainy voafaokan’ ny fiara ny lehilahy iray tao Antongombato, kaominina Mahitsy, ny alin’ny sabotsy 12 septambra teo, tamin’ny 8 ora. Nanaraka ny sisin’arabe amin’ ny RN4 ilay lehilahy. Nandalo tampoka ny fiara an’olon-tsotra. « Nivilivily tamin’ny sisin’ arabe ilay lehilahy izay heverina ho efa mamo », hoy ny loharanom-baovao avy amin’ ny zandary. Tetsy ankilany, nandeha mafy ny fiara nentin’ny mpamily. Tsy voafehin’ ity farany intsony ny fiara ka nifatratra tamin’ilay mpandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dalana. Naratra mafy ity farany. Nahatsiaro tena izy ka nezahin’ny nanatri-maso nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Tsy tana teny an-dalana ny ainy. Nogiazana ny fahazoan-dalana hamily an’ilay mpamily fiara. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Na mpandeha an-tongotra na ireo mpamily fiara, ilaina ny fitadremana hisorohana ny loza tampoka tahak’ity niseho tao Mahisy ity.
Mino / Tsiferana R.




