Nampahafantatra bebe kokoa ny ezaka ataony hampandrosoana ny sehatry ny fambolena ny orinasa Star, nandritra ny Foara iraisam-pirenena FIA, natao ny 10-13 septambra teo, teny amin’ny CCI Ivato. Ankoatra ny vokatra Star mahazatra, naseho nandritra ity efatra andro ity koa ny vokatra vaovaon’ny orinasa. Nohamafisin’ny talen’ny Serasera, tamin’ny famelabelaran-kevitra nataony fa misy fianakaviana maherin’ny 50 000, ka tantsaha ny ankamaroany, ao ambadiky ny asa famokarana zava-pisotro vokarin’ny Star. Mifototra amin’ ny indostria ny Star ary vonona hanohy ny fampiasam-bola.
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona ny Malto, sampana orinasa ao amin’ny Star, misehatra amin’ ny fambolena orge eto Madagasikara izy io. Akora fototra ilaina amin’ny famokarana labiera ny orge.
Tantsaha 20 000
Miara-miasa amin’ny tantsaha manodidina ny 20 000, miparitaka any amin’ny Faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony ny orinasa. Nasongadin’ny Star, nandritra ny FIA 2026 ihany koa, ny “Loka Pierre Castel”. Fifaninanana karakarain’ny orinasa hanohanana ireo mpandraharaha manana tetikasa mitondra vokatra maharitra izy io. Manome lanja ny fanavaozana, ny fandraharahana tomponandraikitra sady vahaolana mampandroso ny sehatry ny sakafo sy ny fambolena. Nomena sehatra manokana ireo orinasa tafakatra tamin’ny dingan’ny famaranana, andiany 2026.
Njaka A.




