Tselatra

Rangahy iray niboridana, no nosamborin’ny fokonolona ary natolotra ny mpitandro filaminana, omaly, tetsy Ankady Tavimena, kaominina Alasora. Voalaza fa miafina eo amin’ny toerana be fasana izy. Enjehiny avokoa ny ankizy mpianatra sy ny vehivavy mandalo eny an-toerana. Mitaintaina ireo olona ireo rehefa handalo eny satria mangina rahateo eny an-toerana.
Niakatra teny amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, omaly, tao amin’ny ady heloka tsotra, ny raharaha vaky trano teny Anosizato, ny 30 aogositra 2026 teo. Lehilahy miisa telo no voampanga tamin’izany. Samy nandà ny fiampangana azy avokoa izy rehetra. Nanambara ny tovovavy iray, izay tompon-trano lasibatra fa handeha hivoaka hitsangatsangana izy sy ny zandriny tamin’io andro io. Andrasana ny 12 oktobra izao ny valin’ny didy.
Bala “calibre 12” miisa 500 saron’ny zandary ny 10 septambra tamin’ny 11 ora alina teo, tao amin’ny fokontany Antanimora, kaominina ambanivohitra Anahidrano, distrikan’Antsohihy, nandritra ny fisavana fiara. Nogiazana ireo bala ary natao famotorana ny mpamily. Taorian’izay, voasambotra ny lehilahy 54 taona, mpandray entana sy ny lehilahy 40 taona nandefa ny bala.

Partager sur: