Nandroba mpanao Cash point : Jiolahy roa lahy maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny poa-basy teny amin’ny manodidina ny trano dimy, Ampangabe, boriborintany fahefatra, ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Anos­ibe Ambilanibe, talohan’io tranga io. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny vola teny amin’ity renim-pianakaviana. Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny jiolahy azy ilay ramatoa. Jiolahy roa lahy naneho fihetsika nampiahiahy sady nikasa hivarotra finday tsy marim-pototra, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, nanomboka teny 67 Ha. Nanapoaka basy avy hatrany anefa ireo olon-dratsy sady nanao tari-dositra vantany nahatazana ny ekipan’ny SAG sy ny BC hanao ny fisamborana. Namaly tifitra ho fiarovan-tena ny mpitandro filaminana. Lavon’ny bala ny iray tamin’ireo jiolahy. La­tsaka teny amin’ity farany ny basy poleta niampy bala 7,65mm miisa dimy. Voamarina fa anisan’ireo jiolahy nanafika ilay mpanao Cash point ity lavo ity.
Nitohy ny fikarohana na­taon’ny polisy momba ny jiolahy tafaporitsaka. Nifanehatra tamin’ireo jiolahy teny amin’ny trano dimy, Ampangambe ny polisy, tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Nikasa hanao fanafihana indray ireo olon-dratsy ireo. Raikitra ny fifampitifirana. Voan’ny bala ny iray tamin’ireo jiolahy ka namoy ny ainy. Nahatrarana basy vita gasy iray sy bala miisa fito teny aminy. Mitohy ny fisorohana ny asan-jiolahy ataon’ny polisim-pirenena eto Antanana­rivo Renivohitra sy ny manodidina.

Tsiferana R.

Partager sur: