Voatery manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly, vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny fokontany Ambodisaina, kaominina Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 14 septambra lasa teo. Nanao saron-tava avokoa ireo jiolahy miisa efatra izay niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano lasibatra. « Nizarazara nisava ny tato an-trano izy ireo. Nangataka vola », hoy ny fanazavan’ilay renim-pianakaviana niharan’ny fanafihana. Namaly anefa ity ramatoa ity fa tsy manam-bola. Raikitra ny daroka sy vono, nihatra tamin’izy telo mianaka. Voatery nanome ny kitapokely fitoeram-bola ilay ramatoa. Nalain’ireo tsy valahara ny vola mitetina 200 000Ar. Nobatain’ireo efa-dahy koa ny fahitalavitra tao an-trano. Tsy afa-niantso vonjy noho ny ramatahora nataon’ireo jiolahy ity fianakaviana lasibatra ity. Voa mafy ilay raim-pianakaviana. Arahi-maso akaiky ny fahasalamany, amin’izao fotoana. Mandry tsy lavo loha ny ankamaroan’ny mponina ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Toamasina manoloana ny tsy fandriampahalemana izay mateti-pitranga any an-toerana.
Sajo




