Voafantina handray anjara amin’ny International Visitor Leadership Program (IVLP), hifantoka amin’ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny oniversite any Etazonia, i Hajalalaina Aimé Richard, filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa.
Hitsidika oniversite maro ao anatin’ny telo herinandro ny tenany, toy ny any Washington D.C Baltimore, Maryland; Kalamazoo, Michigan; East Lansing, Michigan; Iowa City, Iowa ary New Orleans, Louisiana. Hihaona amin’ireo mpisehatra any an-toerana, hiresaka ny fomba fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony ihany koa izy. Fotoana io hifampizarana traikefa sy hifanakalozana hevitra ary hijerena ny mety ho endri-piaraha-miasa vaovao eo amin’ny samy oniversite.
Hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony ny fahombiazana entin’ny programa.
Ny IVLP dia fandaharanasa fifanakalozana matihanina ampifandraisan’ny departemantam-panjakana amerikanina ireo mpitarika maneran-tany amin’ireo manam-pahaizana sy rafi-panjakana amerikanina amina lohahevitra manokana iray.
Tatiana A




