Lehilahy nihazona vola sandoka mitentina 2 600 000Ar voasambotra tao amin’ny kaominina Ankadinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly. Nokasainy hatakalo vola tena izy, mitentina 10 000Ar ny 20 000Ar sandoka. Naharay fampitam-baovao momba io tranga io ny zandary. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy sy nanara-maso ny olona voatonona anarana. Tratra tokoa ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fanapariahana vola sandoka.
Lehilahy mpanao sinto-mahery teny amin’ny Petite Vitesse, Tsaralalàna, voasambotry ny polisy, afakomaly. Nametraka fitarainana teny amin’ny manam-pahefana ny lasibatra. Sarona mbola nihaodihaody teny amin’ny manodidina ilay mpanao ratsy ka nosamborina.
Olona iray namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN2, tao Antetokely, Ambohitsivalana, 9 km tsy hidirana ny tanànan’i Manjakandriana, omaly. Olona efatra naratra ka nentina namonjy toeram-pitsaboana. Tsy tana ny ain’ny iray tamin’izy ireo.
Olona nanao taingin-telo tamin’ny moto nifandona tamin’ny lalana mampitohy an’Ivato sy Talatamaty, afakomaly alina. Naharenesana fofona alikaola ireo olona nitaingina moto, araka ny loharanom-baovao. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara sy ny moto izay nifandona.




