VAOVAO TAMBATRA

Tsy azo ekena ny gaboraraka eny amin’ny toby Amoronakona fa tsy toy ny teny amin’ny Fasan’ny Ka­rana. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana, omaly, fa ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fiarovana. Tsy azo asiana mpivarotra amoron-dalana, mpanera eny an-toerana. Tsy azo asiana trano hazo sy fivarotan-toaka ary tranon-dopy. Tsy manala ny mpivarotra eny amin’ny Fasan’ny Karana ny minisitera, fa izay ifanarahany amin’ny tompon’ny tany.
Hifantoka amin’ny fananganana fotodrafitrasa ny fiaraha-miasan’i Torkia sy Madagasikara. Satria, tsapa fa mbola ahafahana mampiroborobo tsara ny fampiasam-bola avy any Torkia eto amintsika amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa. Eo koa ny angovo, ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny fanabeazana. Tafiditra amin’izao fiaraha-miasa izao ihany koa ny fifanakalozana traikefa, ka azo vinavinaina ny hitsidihan’ny tomponandraikitra sy teknsianina malagasy any Torkia.
Atao ny 15-16-17 septambra izao ny «Salon de l’Agriculture 2026», eny amin’ny Sekoly Agro Essa Anka­tso. Fotoana ahafahan’ireo mpandray anjara fototra mi­fandray sy mifanerasera mivantana. Ihaonan’ny mpisehatra amin’ny lafiny famokarana, ny fanodinana, ny lalambarotra, ahitana ny tsy miankina, ny fanjakana, ny mpikaroka, sns. Eo koa ny lafiny fampiofanana sy ny ara-teknika, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ho an’ireo tanora.

Partager sur: