Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo tanora 15 avy amin’ny faritra manerana ny Nosy niofana momba ny fanatsikafonana. Fiofanana naharitra telo volana, nokarakarain’ny ONG Malina, hampianarana sy hizarana traikefa amin’ireo tanora liana sy efa misehatra amin’ny asa fanaovan-gazety. Tao anatin’izay fotoana izay, nandalina sy nianatra ary niofanana momba ny tontolon’ny fanatsikofanana ireo tanora. Anisan’ireo nozaraina tamin’izy ireo ny paikady sy ny fomba enti-manatanteraka ny asa, ny fanomanan-tsaina, ny ambana mety hiseho sns. Napetraka ho laharam-pahamehana anatin’ny asa ny tombontsoam-bahoaka, fampahafantarana ny zava-misy marina. Misongadina ao anatin’izany ny endrika mety hisehoan’ny kolikoky, ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ny gaboraraka ary ny fandikan-dalàna samihafa.
Ankilany, nifanakalo hevitra sy traikefa, fomba fanao tamin’ireo mpiofana ireo mpanao gazetin’ny Malina. Nivoitra tao anatin’izany ny fananana loharanom-baovao samihafa, fananana tahirin-kevitra maro. Ankoatra izay, nisy ny asa entina sahady nampiharana ny fiofanana ataon’ireo tanora. Nifampizara lohahevitra samihafa ireo mpisehatra hanatsikafonana sahady ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina.
Henintsoa




