Havadika ho loharanom-bola ny fanodinana ny fako plastika, fa tsy ho tsindry sy olana ara-tontolo iainana. Tanjona ny hanatanterahana ny Toekarena mihodina.
Miisa 12 tamin’ny 50 ireo nandroso tetikasa no nosafidiana hahazo tohana avy amin’ny Tetikasa ExPloi (Expédition plastique océan Indien). Fanohanana sy fampiofanana ara-teknika, fanohanana amin’ny fandrafetana tetikasa sy fitantanana amin’ny fandraharahana. Ireo ny fiofanana iarahana amin’ny kabinetra Kentia, mandritra ny efa-bolana. Miralenta ity tetikasa ity satria misasaka ny lahy sy ny vavy, manerana ny Nosy.
Telo no ho safidiana farany, miankina ny fahaizana manazava sy mamelabelatra ny tetikasany avy. Hahazo famatsiam-bola hatrany amin’ny 50 000 euros, tohana zavatra na fitaovana ary lelavola izay mpandresy. Hifaninana eo anivon’ny ranomasimbe Indianina indray izy ireo avy eo, miaraka amin’ny Maorisy, Seychelles, Kaomoro. Manohana ny tetikasa ExPloi ny Antokondrarahara frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ny IRD ary ny COI.
Tanjona ny hanampiana an’i Madagasikara amin’ny hanodinana ny fako plastika. Izany hoe, hamadihana ny fako plastika ho loharanon-karena, ho fidiram-bola.
Lalàna sy fepetra
Nilaza ny tomponandraikitry ny tetikasa ExPloi ao amin’ny minisitera Medd, Rakotomanana Albani, fa efa misy ny Paikadim-pirenena mahakasika ny plastika. Efa voarafitra ihany koa ny volavolan-dalàna momba ny fandikan-dalàna ara-tontolo iainana, haroso eny amin’ny Antenimierampirenena. Ao anatin’izany ny lalàna sy fepetra ho an’ireo mpandoto tontolo iainana. Hapetraka amin’ny taona 2027 ny momba ny tamberim-bidy ho an’ireo mpamokatra akora plastika. Manampy ireo, anisan’ireo firenena 6 tohanan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) momba ny tondrozotra ho an’ny toekarena mihodina ihany koa i Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy




