Angovo azo havaozina : 207 MW vaovao ho azo avy amin’ny masoandro

Vahaolana maharitra amin’ny famatsian-jiro ny famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanomboka tsy ho ela ny fananganana toby vaovao any amin’ny toerana miisa 38.

Tafiditra ao anatin’ny fia­m­pitana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina i Mada­ga­si­kara. Natao sonia ny 16 septambra teo ny fifanarahana voalohany ho an’ny toerana miisa 38 tamin’ireo 55 nanaovana antso amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Mitotaly 207 MW ny tanjaky ny herinaratra vaovao ho­vokarina any amin’ireo toerana ireo, ao anatin’ny tetikasa Vahaolana amin’ny alalan’ny masoandro ho an’i Mada­gasikara (SSM). Tanjona ny hampiroborobo ny sehatry ny angovo azo havaozina. Hani­tarana ny tambajotra sy ny fisitrahan’ny vahoaka herinaratra manerana an’i Madaga­sikara. Mihena ihany koa ny fandaniam-bola amin’ny fampiasana solika amin’ny famokarana ho an’ny Jirama. Nitarika ity fifanaovan-tsonia ity ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Rabeari­manga Rado­ni­rina Lucas.
Hatao ato ho ato ny famerenana ny antso tetikasa ho an’ireo toerana miisa 17 hafa tsy afaka noraisina tamin’ny andiany voalohany.
Hampidirina anaty tambajotra Jirama
Nilaza ny Sekretera jeneralin’ny MEH, Dr Rakotonan­drasana Adolphe, fa eo amin’ny enim-bolana na mihoatra kely eo ny fotoana hametrahan’ireo orinasa ny fotodrafitrasa amin’ny toby iray. Vidin’ny Jirama amin’ireo orinasa mpamokatra ny herinaratra. Ham­pidirina amin’ny tambajotran’ny Jirama avy eo ny famatsiana, haparitaka amin’ny mpanjifa. Anisan’izany ny Tam­bajotra iraisan’Antananarivo (RIA).
Tsiahivina fa mitohy ny fametrahana toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro ataon’ny orinasa tsy miankina.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: